Bokin'ny Ohabolana 26:25
Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When he speaketh fair, believe him not: for there are seven abominations in his heart.
In Context
24Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
26Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 26
Cross References
Nehemiah 6:2dia naniraka ho any amiko Sanbala sy Gasema ka nanao hoe: Avia isika hihaona ao amin’ izay vohitra anankiray amin’ ny tany lemak’ i Ono. Kanjo nikasa hanisy ratsy ahy izy roa lahy.
Psalms 28:3Aza atao indray manakipaka amin’ ny ratsy fanahy sy ny mpanao meloka aho, fa ireny dia milaza fihavanana amin’ ny namany, kanjo ratsy no ao am-pony.
Jeremiah 9:2Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin’ ny tany; Fa mandroso amin’ ny ratsy ka hatramin’ ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
Micah 7:5Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.