Bokin'ny Ohabolana 27:8
Toy ny voron-kely miala amin’ ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin’ ny fonenany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
As a bird that wandereth from her nest, so is a man that wandereth from his place.
In Context
Read all of Bokin'ny Ohabolana 27
Cross References
Genesis 4:16Ary Kaina dia niala teo anatrehan’ i Jehovah ka nonina tao amin’ ny tany Noda tandrifin’ i Edena.
1 Samuel 22:5Ary hoy Gada mpaminany tamin’ i Davida: Aza mitoetra ao amin’ ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an’ ala Hareta.
1 Kings 11:22Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin’ ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
Nehemiah 6:11Fa hoy izaho: Moa ny lehilahy tahaka ahy tokony handositra va? Ary iza no olona tahaka ahy no mahazo miditra ao amin’ ny tempoly ka ho velona? Tsy hiditra ao aho.
Proverbs 21:16Ny olona izay mivily miala amin’ ny lalan’ ny fahendrena Dia hitoetra ao amin’ ny fivorian’ ny fanahin’ ny maty.
Isaiah 16:2Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin’ ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin’ i Moaba ao amin’ ny fitàna any Arnona.