Bokin'ny Ohabolana 29:8
Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Scornful men bring a city into a snare: but wise men turn away wrath.
In Context
7Ny marina mihevitra ny adin’ ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
9Raha iadian’ ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 29
Cross References
Deuteronomy 9:18Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.
Proverbs 11:11Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
Proverbs 16:14Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
Jeremiah 15:1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
Amos 7:2Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.