Bokin'ny Ohabolana 3:10
Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
So shall thy barns be filled with plenty, and thy presses shall burst out with new wine.
In Context
9Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
11Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
Read all of Bokin'ny Ohabolana 3
Cross References
Deuteronomy 14:29ary dia aoka ho avy ny Levita (satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy) sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana izy ka ho voky, mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ ny asan-tananao rehetra izay ataonao.
2 Chronicles 31:10Ary Azaria mpisoronabe, taranak’ i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin’ ny niandohan’ ny nitondran’ ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon’ i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
Proverbs 19:17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
Ecclesiastes 11:1Atsipazo eny ambonin’ ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
Haggai 2:19Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongabendanitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin’ izao andro anio izao no hitahiako anareo.
Matthew 10:42Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ ny kapoaka ihany aza hosotroin’ ny anankiray amin’ ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.