Bokin'ny Ohabolana 30:17
Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin’ ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin’ ny zana-boromahery.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
Read all of Bokin'ny Ohabolana 30
Cross References
Genesis 9:21Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
Deuteronomy 21:18Raha misy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra ka tsy mety mihaino ny feon’ ny rainy, na ny feon’ ny reniny, ka tsy zakany anarina,
Deuteronomy 28:26Ary ny fatinao hohanin’ ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
2 Samuel 18:9Ary Absaloma nifanehatra tamin’ ny mpanompon’ i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin’ ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ ny hazo terebinta, ka voahazon’ ny hazo terebinta ny lohan’ i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
2 Samuel 21:10Ary Rizpa, zanakavavin’ i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin’ ny vatolampy iny hitoerany hatramin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ ny faty, ka tsy navelany hipetrahan’ ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
Proverbs 23:22Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.