Bokin'ny Ohabolana 30:27
Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The locusts have no king, yet go they forth all of them by bands;
In Context
26Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin’ ny harambato izy;
28Ny antsiantsy dia mandady amin’ ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon’ ny mpanjaka izy.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 30
Cross References
Exodus 10:13Dia nahinjitr’ i Mosesy tambonin’ ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin’ ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
Exodus 10:15Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ ny tany Egypta rehetra, na tamin’ ny hazo, na tamin’ ny anana tany an-tsaha.
Joel 1:4Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga.
Joel 2:7Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’ izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
Joel 2:25Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin’ ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.