Proverbs 8:15
Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
By me kings reign, and princes decree justice.
In Context
14Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
16Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
Cross References
1 Samuel 9:17Ary nony hitan’ i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin’ ny oloko.
1 Kings 3:9Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
1 Kings 5:7Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’ i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin’ ny: latabatr’ i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin’ ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
1 Chronicles 28:5Ary tamin’ ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen’ i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakan’ i Jehovah hanjaka amin’ ny Isiraely.
Psalms 72:1Nataon’ i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
Isaiah 1:26Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin’ ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan’ ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.