Boky faharoan'ny Mpanjaka 5:7
Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’ i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin’ ny: latabatr’ i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin’ ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 5
Cross References
1 Kings 1:48ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
1 Kings 4:7Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.
2 Chronicles 2:11Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’ i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’ i Jehovah sy lapa ho an’ ny tenany izy.
Psalms 122:6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
Proverbs 10:1Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
Proverbs 15:20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.