Bokin'ny Salamo 100:3
Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana.
Read all of Bokin'ny Salamo 100
Cross References
Exodus 6:7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
Deuteronomy 4:39Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
Deuteronomy 32:6Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
1 Samuel 17:46Anio no hanoloran’ i Jehovah anao amin’ ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin’ ny miaramilan’ ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
2 Kings 19:19Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, mitaraina aminao aho, vonjeo izahay amin’ ny tànany, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao dia Hianao irery ihany, Jehovah ô, no Andriamanitra.
Job 10:3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?