Bokin'ny Salamo 101:3
Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,
Read all of Bokin'ny Salamo 101
Cross References
Exodus 20:17Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ ny namanao akory aza.
Deuteronomy 13:17Ary ny entana nobaboina rehetra eo dia angòny eo afovoan’ ny kianja, ka doroy amin’ ny afo avokoa ny tanàna sy ny entana rehetra ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ho tanàna haolo mandrakizay izany tanàna izany ka tsy haorina intsony.
Joshua 23:6Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia,
1 Samuel 15:11Manenina Aho noho ny nanaovako an’ i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin’ ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin’ i Jehovah mandritra ny alina.
1 Kings 21:2Ary Ahaba niteny tamin’ i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
Psalms 14:3Samy efa nivily izy rehetra ka tonga vetaveta avokoa; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza.