Bokin'ny Salamo 104:24
Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro.
Read all of Bokin'ny Salamo 104
Cross References
Genesis 1:24Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan’ aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
Nehemiah 9:6Hianao dia Hianao irery ihany no Jehovah; Hianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra, mbamin’ izay rehetra any aminy, ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary Hianao no mamelona azy rehetra; ary ireo maro any an-danitra samy miankohoka eo anatrehanao.
Psalms 8:3Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.
Psalms 40:5Sambatra izay olona manao an’ i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman’ ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ ny lainga.
Psalms 65:11Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
Psalms 107:24No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.