Bokin'ny Salamo 104:31
Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The glory of the LORD shall endure for ever: the LORD shall rejoice in his works.
In Context
30Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.
32Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
Read all of Bokin'ny Salamo 104
Cross References
Exodus 31:17Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
Isaiah 62:5Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ ny mpampakatra amin’ ny ampakariny no hifalian’ Andriamanitrao aminao.
Jeremiah 32:41Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
Luke 15:5ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
Romans 11:36Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
Ephesians 3:21ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ ny fiangonana sy ao amin’ i Kristy Jesosy hatramin’ ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.