Bokin'ny Salamo 105:25
Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He turned their heart to hate his people, to deal subtilly with his servants.
In Context
24Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
26Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
Read all of Bokin'ny Salamo 105
Cross References
Genesis 15:13Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy.
Exodus 1:10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin’ ny tany.
Exodus 1:16ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin’ ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
Exodus 4:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
Exodus 10:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
Ecclesiastes 3:8Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.