Bokin'ny Salamo 106:47
Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna Sy hifalianay amin’ ny fiderana Anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
46Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’ izay rehetra namabo azy.
Read all of Bokin'ny Salamo 106
Cross References
Deuteronomy 30:3dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Psalms 14:7Enga anie ka hivoaka avy ao Ziona ny famonjena ny Isiraely! Raha ampodin’ i Jehovah avy amin’ ny fahababoana ny olony, dia ho faly Jakoba, ary ho ravoravo Isiraely.
Psalms 126:1Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
Jeremiah 32:37Indro izy hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin’ ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
Ezekiel 37:21Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak’ Isiraely avy any amin’ ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin’ ny taniny:
2 Corinthians 2:14Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.