Bokin'ny Salamo 106:9
Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
10Namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalo.
Read all of Bokin'ny Salamo 106
Cross References
Exodus 14:22Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Exodus 14:29Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Psalms 18:15Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
Psalms 77:19Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
Psalms 78:52Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany.
Psalms 136:13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),