Bokin'ny Salamo 11:1
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In the LORD put I my trust: How say ye to my soul, Flee as a bird to your mountain?
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 11
Cross References
1 Samuel 20:38Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin’ i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin’ ny tompony.
1 Samuel 22:3Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin’ ny mpanjakan’ i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon’ Andriamanitra amiko.
1 Samuel 27:1Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
2 Chronicles 16:8Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
Psalms 7:1Sigaiona nataon’ i Davida, izay nohirainy ho an’ i Jehovah noho ny tenin’ i Kosy Benjamita.
Psalms 9:10Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ ny andro fahoriana Izy.