Bokin'ny Salamo 115:1
Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Read all of Bokin'ny Salamo 115
Cross References
Joshua 7:9Ary ho ren’ ny Kananita sy ny mponina rehetra amin’ ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin’ ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
Psalms 74:22Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro.
Psalms 89:1Maskila nataon’ i Etana Ezrahita.
Psalms 138:2Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra.
Ezekiel 20:14Kanefa niasa noho ny amin’ ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan’ ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
Ezekiel 36:32Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’ Isiraely.