Bokin'ny Salamo 119:87
Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They had almost consumed me upon earth; but I forsook not thy precepts.
In Context
86Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
88Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
Read all of Bokin'ny Salamo 119
Cross References
1 Samuel 23:26Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
1 Samuel 26:9Fa hoy Davida tamin’ i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ ny voahosotr’ i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
2 Samuel 17:16Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin’ i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.
Psalms 119:61Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
Matthew 10:28Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ ny helo.