Bokin'ny Salamo 125:1
Fihirana fiakarana. Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They that trust in the LORD shall be as mount Zion, which cannot be removed, but abideth for ever.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 125
Cross References
2 Chronicles 20:20Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr’ i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo.
Psalms 25:2Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian’ ny fahavaloko aho.
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?
Psalms 46:5Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.
Psalms 62:2Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
Psalms 62:6Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.