Bokin'ny Salamo 132:9
Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masìna hihoby.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Let thy priests be clothed with righteousness; and let thy saints shout for joy.
In Context
8Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin’ ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao.
10Noho ny amin’ i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan’ ny voahosotrao.
Read all of Bokin'ny Salamo 132
Cross References
Judges 5:31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
Ezra 3:11Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’ i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin’ ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an’ i Jehovah, satria vita ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
Psalms 35:26Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
Psalms 68:3Tahaka ny fanely setroka no fanelinao azy; tahaka ny fiempon’ ny savoka eo anoloan’ ny afo no aoka hahalevonan’ ny ratsy fanahy eo anatrehan’ Andriamanitra.
Psalms 93:1Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
Psalms 132:16Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masìna ao.