Bokin'ny Salamo 133:3
Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin’ i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 133
Cross References
Deuteronomy 3:8Ary nalaintsika tamin’ izany andro izany tamin’ ny mpanjaka roan’ ny Amorita ny tany izay any an-dafin’ i Jordana, hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona
Deuteronomy 28:8Handidy ny fitahiany ho aminao Jehovah amin’ ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ ny tananao, ka hitahy anao Izy any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Psalms 16:11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
Psalms 21:5Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
Proverbs 19:12Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin’ ny ahitra.
John 4:14fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.