Bokin'ny Salamo 134:1
Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an’ i Jehovah, ianareo rehetra mpanompon’ i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Manandrata ny tananareo ho amin’ ny fitoerana masìna, Ka misaora an’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Salamo 134
Cross References
Deuteronomy 10:8Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
1 Chronicles 9:27Ary manodidina ny tranon’ Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
1 Chronicles 23:30ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’ i Jehovah, ary toy izany koa amin’ ny hariva,
2 Chronicles 35:5Ary mitsangàna eo amin’ ny fitoerana masìna araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny rahalahinareo amin’ ny vahoaka sy araka ny fizaran’ ny fianakavian’ ny Levita.
Psalms 84:5Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. [Sela.]
Psalms 113:1Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.