Bokin'ny Salamo 136:12
Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
With a strong hand, and with a stretched out arm: for his mercy endureth for ever.
In Context
11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
Read all of Bokin'ny Salamo 136
Cross References
Exodus 13:3Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Exodus 15:6Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
Deuteronomy 11:2Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin’ ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
Isaiah 51:9Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
Acts 7:36Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin’ ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.