Bokin'ny Eksodosy 13:3
Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Izao andro amin’ ny volana Abiba izao no ivoahanareo
Read all of Bokin'ny Eksodosy 13
Cross References
Genesis 15:16Fa raha mby amin’ ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.
Exodus 6:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
Exodus 12:2Ity volana ity ho voaloham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ ny taona ho anareo izy.
Exodus 12:15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ ny voalohan’ andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ ny Isiraely.
Exodus 12:41Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’ izany andro izany indrindra no nivoahan’ ny antokony rehetra izay an’ i Jehovah tamin’ ny tany Egypta.
Exodus 13:14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;