Bokin'ny Salamo 144:14
Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 144
Cross References
Deuteronomy 28:7Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao.
Judges 5:8Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
Judges 6:6Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin’ i Jehovah izy.
1 Samuel 31:7Ary nony hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely teny an-dafin’ ny lohasaha sy teny an-dafin’ i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin’ ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
Isaiah 24:11Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan’ ny tany.
Jeremiah 13:17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.