Bokin'ny Salamo 145:9
Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The LORD is good to all: and his tender mercies are over all his works.
In Context
8Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
10Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masìna misaotra Anao.
Read all of Bokin'ny Salamo 145
Cross References
Psalms 25:8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Psalms 65:9Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ ny tany; ny any amin’ ny fiposahan’ ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
Psalms 100:5Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
Jonah 4:11ka moa Izaho tsy mba halahelo an’ i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?
Matthew 5:45mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ ny marina sy ny tsy marina.
Acts 17:25sady tsy mba tompoin’ ny tànan’ olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon’ aina ary ny zavatra rehetra;