Bokin'ny Salamo 16:3
Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But to the saints that are in the earth, and to the excellent, in whom is all my delight.
In Context
2Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
Read all of Bokin'ny Salamo 16
Cross References
2 Chronicles 6:41Koa ankehitriny mitsangàna, ry Jehovah Andriamanitra ô, ho amin’ ny fitsaharanao, dia Hianao sy ny fiaran’ ny herinao; aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, Jehovah Andriamanitra ô, ary aoka ny olonao masìna hifaly amin’ ny soa.
Psalms 101:6Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy.
Psalms 119:63Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.
Proverbs 8:31Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
Proverbs 13:20Izay miara-dia amin’ ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin’ ny adala dia hidiran-doza.
Song of Solomon 7:10Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan’ ny malalako sady miditra misononoka amin’ ny molotry ny matory.