Bokin'ny Salamo 17:14
Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 17
Cross References
Job 12:9Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,
Job 21:21Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
Job 27:14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
Psalms 49:17Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
Psalms 73:12Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
Matthew 13:44Ary ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha, izay hitan’ olona, ka dia nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra, dia nividy izany saha izany.