Bokin'ny Salamo 33:6
Ny tenin’ i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain’ ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
By the word of the LORD were the heavens made; and all the host of them by the breath of his mouth.
In Context
5Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon’ i Jehovah ny tany.
Read all of Bokin'ny Salamo 33
Cross References
Genesis 1:6Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ ny rano izy.
Genesis 2:7Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Deuteronomy 4:19Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.
Job 33:4Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
Psalms 104:30Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.
Psalms 148:5Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.