Bokin'ny Genesisy 2:7
Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ ny tany ka nandena ny tany rehetra.
Read all of Bokin'ny Genesisy 2
Cross References
Genesis 3:19Ny fahatsembohan’ ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ ny vovoka indray ianao.
Genesis 7:22Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’ izay rehetra teo amin’ ny tany maina, dia maty avokoa.
Numbers 27:16Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
Job 27:3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’ Andriamanitra.
Job 33:6Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
Psalms 103:14Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.