Bokin'ny Salamo 40:10
Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ ny fahamarinana teo amin’ ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
Read all of Bokin'ny Salamo 40
Cross References
Psalms 25:10Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
Psalms 75:9Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
Isaiah 49:6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
Ezekiel 3:17Ry zanak’ olona, efa nataoko mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
Luke 2:30Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao,
John 1:17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.