Bokin'ny Salamo 44:12
Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ ny firenen-tsamy hafa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou sellest thy people for nought, and dost not increase thy wealth by their price.
In Context
11Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
13Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.
Read all of Bokin'ny Salamo 44
Cross References
Leviticus 26:33Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Deuteronomy 32:30Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Judges 3:8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
Isaiah 50:1Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Jeremiah 15:13Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin’ ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;