Bokin'ny Salamo 5:2
Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Hearken unto the voice of my cry, my King, and my God: for unto thee will I pray.
In Context
1Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny sodina. Salamo nataon’ i Davida.
3Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.
Cross References
1 Kings 8:28Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan’ ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon’ ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
Psalms 10:16Jehovah no Mpanjaka mandrakizay doria; voafongotra tsy ho amin’ ny taniny intsony ny jentilisa.
Psalms 44:4Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
Psalms 65:2Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.
Psalms 84:3Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.
Psalms 145:1Fideran’ i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.