Bokin'ny Salamo 51:6
Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.
7Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.
Read all of Bokin'ny Salamo 51
Cross References
Genesis 20:5Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin’ ny fahatsoran’ ny foko sy ny fahadiovan’ ny tanako no nanaovako izany.
2 Samuel 12:13Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
1 Chronicles 29:17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Job 32:8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
Psalms 5:9Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
Psalms 26:2Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.