Bokin'ny Salamo 65:10
Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao ― Ny onin’ Andriamanitra dia tondra-drano ― Mamboatra vary ho an’ ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 65
Cross References
Deuteronomy 32:2Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin’ ny anana.
Psalms 68:10Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin’ ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao.
Psalms 147:8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,