Bokin'ny Salamo 69:11
Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I made sackcloth also my garment; and I became a proverb to them.
In Context
12Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho.
Read all of Bokin'ny Salamo 69
Cross References
Deuteronomy 28:37Dia ho figagana sy ohabolana ary ho ambentinteny ianao any amin’ ny firenena rehetra izay hitondran’ i Jehovah anao.
Job 17:6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
Psalms 44:13Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ ny vidiny.
Isaiah 20:2tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Jehovah teny an’ Isaia, zanak’ i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin’ ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin’ ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro.
Jeremiah 24:9eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.
Joel 1:13Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.