Bokin'i Jeremia 24:9
eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin’ ny tany rehetra izay handroahako azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 24
Cross References
Deuteronomy 28:25Hatolotr’ i Jehovah ho resy eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, ka lalana iray no hivoahanao hiady aminy, fa lalana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany ianao.
Deuteronomy 28:65Ary any amin’ ireo firenena ireo dia tsy hisy hiainanao, na hitsaharan’ ny faladianao; fa any no hanomezan’ i Jehovah anao fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy.
2 Chronicles 7:20dia hongotako amin’ ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra.
Psalms 109:18Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo;
Isaiah 65:15Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin’ ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
Jeremiah 19:8Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.