Bokin'ny Salamo 72:15
Dia ho velona ireny ka hanome azy volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan’ andro no hisaorany azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 72
Cross References
1 Kings 10:14Ary ny lanjan’ ny volamena izay tonga tao amin’ i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
2 Chronicles 9:1Ary ny mpanjakavavin’ i Sheba, rehefa ny nahare ny lazan’ i Solomona, dia tonga tany Jerosalema hizaha toetra azy tamin’ ny fanontaniana sarotra, ary maro be ny mpanaraka azy, sady be koa ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tao amin’ i Solomona izy, dia niresaka taminy ny amin’ izay rehetra tao am-pony.
2 Chronicles 9:23Ary ny mpanjaka rehetra ambonin’ ny tany nitady hahita ny tavan’ i Solomona mba hihaino ny fahendrena, izay nataon’ Andriamanitra tao am-pony.
Psalms 45:4Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
Isaiah 60:6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
Matthew 6:10Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.