Bokin'ny Salamo 78:24
Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin’ ny lanitra no nomeny azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And had rained down manna upon them to eat, and had given them of the corn of heaven.
In Context
23Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran’ ny lanitra no novohàny,
25Ny fihinan’ ny mahery no nohanin’ ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Exodus 16:4Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’ andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
Deuteronomy 8:3Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.
Nehemiah 9:15ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
Psalms 68:9Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin’ ny fanatrehan’ Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely.
John 6:31Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.