Bokin'i Nehemia 9:15
ary mofo avy tany an-danitra no nomenao azy, raha noana izy; ary rano avy tamin’ ny vatolampy no navoakanao hosotroiny, raha nangetaheta izy; ary nilaza taminy Hianao fa hiditra ka handova ny tany izay nanangananao tanàna homena azy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
Cross References
Exodus 16:4Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan’ andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia.
Exodus 16:15Ary rehefa hitan’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’ i Jehovah ho fihinanareo.
Exodus 17:6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Numbers 20:7Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Deuteronomy 1:21indro, efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
Deuteronomy 8:15Izay nitondra anao tany amin’ ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’ afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin’ ny vatolampy afovato,