Bokin'ny Salamo 78:34
Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When he slew them, then they sought him: and they returned and enquired early after God.
In Context
33Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin’ ny fampitahorana.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Judges 3:8Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ i Kosan-risataima, mpanjakan’ i Mesopotamia, Izy; dia nanompo an’ i Kosan-risataima valo taona ny Zanak’ Isiraely.
Judges 4:3Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak’ Isiraely roa-polo taona izy.
Isaiah 26:6Hitsahin’ ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ory sy ny faladian’ ny mahantra.
Jeremiah 22:23Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin’ ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan’ ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka!
Hosea 7:14Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.