Bokin'ny Salamo 78:35
Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they remembered that God was their rock, and the high God their redeemer.
In Context
34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an’ Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy.
36Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Exodus 15:13Tarihinao amin’ ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ ny herinao ho any amin’ ny fonenanao masìna izy.
Deuteronomy 9:26Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.
Deuteronomy 32:4Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
Deuteronomy 32:30Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Psalms 78:7Mba hametraka ny fanantenany amin’ Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
Psalms 78:42Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin’ ny fahavalo,