Bokin'ny Salamo 78:40
Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
How oft did they provoke him in the wilderness, and grieve him in the desert!
In Context
39Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony.
41Naka fanahy an’ Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Deuteronomy 9:7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.
Psalms 78:8Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin’ Andriamanitra ny fanahiny.
Psalms 95:8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,
Psalms 107:11Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
Isaiah 63:10Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
Hebrews 3:15raha atao hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ ny fahasosorana.”.