Bokin'ny Salamo 80:15
Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ny lambo avy any an’ ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
16Arovy izay nambolen’ ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.
Read all of Bokin'ny Salamo 80
Cross References
Deuteronomy 26:15Tsinjovy ao amin’ ny fonenanao masìna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
Psalms 89:21Efa nahita an’ i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masìna no nanosorako azy;
Isaiah 5:1Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
Isaiah 49:5Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
Jeremiah 2:21Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?
Lamentations 3:50Ambara-pitazan’ i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.