Bokin'ny Salamo 89:49
Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? [Sela.]
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Lord, where are thy former lovingkindnesses, which thou swarest unto David in thy truth?
In Context
48Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
50Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin’ i Davida tamin’ ny fahamarinanao?
Read all of Bokin'ny Salamo 89
Cross References
2 Samuel 3:9Hataon’ Andriamanitra amin’ i Abnera anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko aminy araka ny nianianan’ i Jehovah tamin’ i Davida,
Psalms 49:8Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,
Psalms 54:5Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an’ Andriamanitra ho eo anatrehany izy. [Sela.]
Psalms 89:3Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
Psalms 132:11Jehovah efa nianiana tamin’ i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin’ ny seza fiandriananao.
Isaiah 63:7Ny famindram-pon’ i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’ i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ ny fahasoavana tamin’ ny taranak’ Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ ny famindram-pony.