Bokin'ny Salamo 92:14
Efa nambolena tao an-tranon’ i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’ Andriamanitsika;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They shall still bring forth fruit in old age; they shall be fat and flourishing;
In Context
13Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
15Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
Read all of Bokin'ny Salamo 92
Cross References
1 Chronicles 29:1Ary hoy Davida mpanjaka tamin’ ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin’ Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an’ olona, fa ho an’ i Jehovah Andriamanitra.
Psalms 1:3Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ ny rano velona izy, izay mamoa amin’ ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Jeremiah 17:8Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
Matthew 3:10Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Galatians 5:22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,