Bokin'ny Salamo 95:10
Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany, Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy, Sy nizahany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
11Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.
Read all of Bokin'ny Salamo 95
Cross References
Numbers 14:33ary ny zanakareo hirenireny toy ny mpiandry ondry atỳ an-efitra efa-polo taona ka hiharan’ ny valin’ ny fijangajanganareo, mandra-pahafatinareo rehetra atỳ an-efitra.
Deuteronomy 1:3Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo tamin’ ny taona fahefa-polo dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy holazainy aminy,
Job 21:14Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
Proverbs 1:22Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian’ ny mpaniratsira amin’ ny faniratsirana, Ary hankahalan’ ny adala ny fahalalana?
Jeremiah 9:6Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin’ ny oloko zanakavavy?
John 3:19Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.