Bokin'ny Salamo 95:11
Ka dia nianiana tamin’ ny fahatezerako Aho hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Unto whom I sware in my wrath that they should not enter into my rest.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 95
Cross References
Numbers 14:23dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany.
Numbers 14:30dia tsy ho tonga mihitsy any amin’ ny tany izay nananganako tanana hamponenana anareo, afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone, sy Josoa, zanak’ i Nona.
Deuteronomy 1:35Tsy hisy olona mihitsy amin’ izao taranaka ratsy fanahy izao hahita ny tany soa izay nianianako homena ny razanareo,
Jeremiah 6:16Izao no lazain’ i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin’ ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
Hosea 4:4Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ ny mpisorona.
Hebrews 3:11Ary araka izany no nianianako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy".