Apokalypsin'i Jaona 1:2
Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 1
Cross References
John 3:11Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
John 19:35Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
Acts 4:20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
Acts 26:16Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’ izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
1 Corinthians 2:1Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra.
1 John 4:14Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.