Apokalypsin'i Jaona 1:3
Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 1
Cross References
Proverbs 8:34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
Daniel 12:12Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
Romans 13:11Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ ny andro vao ninoantsika.
1 Peter 4:7Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.
Revelation 22:6Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
Revelation 22:12Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.